23/09/2025
‼️𝐀ZA VAKIANA AKORY ITY RAHA MBOLA MINO HOE REHEFA TSY MANAO RATSY FOTSINY DIA TOKONY HO TAFITA AMIN'NY FIAINANA‼️
Eh oh, tsy vitan'ny tsy manao ratsy fotsiny, fa tena manao zavatra tsara be dia be ho an'ny tena na koa hoe "investissement en soi" no mahatafita sy mampivoatra.
Ato anatin'ity témoignage izay efa nizaraiko tatsy amin'ny Communauté Ma Voie Vers Moi ity no hilazako aminao fa tena possible izany miova izany raha te ho tafita. Ianao tsinona no mila ok voalohany dia manaraka an'izay ny ambiny.
Nisy fotoana leo be ny quotidien-ko aho.
Tao anaty lohako sy tao anaty foko tao tena niandrandra “𝐟𝐢𝐚𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 𝐤𝐚𝐥𝐢𝐭𝐚𝐨” ara-bakiteny aho. Ny ahy moa zany izay zavatra izay tena au niveau ana ressenti. Mavesatra foana ao anatiko ao rehefa nandinika ny fiainako aho hoe tena tsy izy zao ka. Mifoha maraina zany tena entin’ilay journée fotsiny fa tsy misy direction mazava.
Dia nanao "investissement en soi" maro be aho fa ny thème-tsika moa hatreto “𝐩𝐨𝐮𝐯𝐨𝐢𝐫 𝐝𝐞𝐬 𝐡𝐚𝐛𝐢𝐭𝐮𝐝𝐞𝐬” sady miresaka 𝐜𝐡𝐚𝐥𝐥𝐞𝐧𝐠𝐞 𝟗𝟎𝐣 dia ny partie mifandraika amin’izay no hotantaraiko anareo.
Nisy projet resaka art izay tena tiako natsangana, tena nameno ny foko manontolo, tena tiako (mbola hotanterahiko izay fa izao aloha aho mifantoka amin’ny fandalinana psychologie, neurosciences, étude comportementale, sns… hahafahako mivoatra sy manome ny tsara indrindra ho anareo mpanaraka ahy)
Dia rehefa nandinika be aho t@ilay hoe hanao ilay projet resaka art nolazaiko teo, dia hoy aho hoe raha tanteraka izany dia izaho izany ho lasa chef d’entreprise, tsy izaho irery tsinona no ho ao fa hisy équipe maro be, tena leader izany no place hisy ahy. Izaho tamin’io fotoana io anefa tena loin d’être leader 🙈.
Ny tontolo androko sy izay nataoko rehetra tena tsy mba manimanitra leader mihitsy :
❌Amin’ny 7 maraina aho vao mifoha, kamo be sady manindry ilay bouton “répétition” amin’ny alarme (apiko 10min, avy eo apiko 5min) . Nanana excuse tsara tarehy moa aho hoe ka ny torimasoko anie tapatapaka be fa mampinono an’i faralahiko vao heritaona io aho e.
❌Mandeha ny tontolo andro, 0 motivation. Excuse indray : Normal raha tsy motivée aho fa tsy tiako anie ity asako ity e
❌Tonga ny hariva tsisy fierté tsisy ninoninona nahavita an’iny tontolo andro iny fa dia lasa matory amin’izao fotsiny, tsy andry aza ny fotoana hatoriana fa any mba tsy mieritreritra.
Azonareo amin’izay ilay hoe tsy mba manimanitra leader mihitsy ?
Dia leo be an’io boucle io aho fa io izany no ho fiainako hatramin’ny rahoviana ?
Aleo ary zany hoy aho incarner-ko ilay leader alohan’ny hananako entreprise e.
Ity ilay “𝐞̂𝐭𝐫𝐞 𝐚𝐯𝐚𝐧𝐭 𝐝’𝐚𝐯𝐨𝐢𝐫” noresahiko tao anaty live tamin’ny asabotsy iny. Ny tena aloha no mila karakaraina voalohany alohan'ny te hanana an'izao sy izao.
Ny image-na leader tao an-dohako tao dia olona :
🔸auto-discipliné
🔸mifoha maraina
🔸manana routine matinale mipetrapetraka tsara
🔸miasa ho an’ny projet-ny mazava ho azy
🔸manana vision claire
🔸manana confiance en soi
🔸manana intelligence émotionnelle
🔸manao fanatanjahan-tena
🔸… be dia be
Dia lasa aho ni-travailler an’ireo ary indrindra indrindra nametraka routine matinale mazava tsara inspirée tamin’ilay méthode SAVERS an’i Hal Elrod ao amin’ny bokiny "Miracle Morning". Namboariko ny fitaovana ilaiko hanarahako izany mandritra ny 90j (ao anaty commentaire ny sarin'ilay izy raha tianao jerena).
Tena nanao investissement be tamin'ny tenako aho.
Dia nanomboka teo ny fambolena habitudes vaovao. Challenge araka ny anarany moa ilay izy fa tena teneniko anareo fa rehefa nandeha ny fotoana dia 💥NIOVA AHO💥. Eny tompoko, NIOVA AHO.
Na izaho aza tsy mino hoe izaho ity :
✅mahavita mifoha amin’ny 3ora maraina, sambatra be fa tsy ilay toy ny noterena hifoha
✅manana énergie milay be izay aho après routine matinale
✅motivée aho hiatrika journée
✅fière ny tenako aho mandeha matory, “fatiguée satisfaite” no filazako azy
✅auto-disciplinée aho
✅miha mahatoky tena aho
✅manao ny asa tiako amin'izay aho
✅…
Dia izay zavatra nataoko nahitako vokatra be izay indrindra ilay proposer-ko anao ao anaty 𝐜𝐡𝐚𝐥𝐥𝐞𝐧𝐠𝐞 𝐯𝐞𝐫𝐬𝐢𝐨𝐧 𝐩𝐫𝐞𝐦𝐢𝐮𝐦 io.
Tena possible koa ianao miova ary rehefa miova ianao dia tonga ho azy aminao ilay fiainana tsara kalitao tianao hiainana nofinofisinao io.
Tsy hoe lasa parfaite akory aho na ny fiainako, fa ny atidohako miatrika fiainana mihitsy no niova, efa tsy ilay victime be intsony fa tompon’andraikitra feno amin’ny fiainako.
Dia tsara be mihitsy kay ilay fiainana rehefa noraisina ny volant.
Je vis ma vie de qualité selon moi araka ny slogan an'ny pejy iny, tena henoko hoe miaina aho 💓
Raha misy ny tiako hampita amin’ity témoignage ity dia tsotra :
Rehefa tonga saina ianao fa mila miova, manova zavatra na misy zavatra ilainao, dia mila mihetsika.
ACTION - ACTION - ACTION.
Izay ihany.
REHEFA MISY ZAVATRA ILAINAO DIA IANAO MIHETSIKA MANATANTERAKA AZY NO HAHATONGAVAN'IZANY AMINAO.
Nanomana ilay challenge "𝟗𝟎𝐣 𝐩𝐨𝐮𝐫 𝐢𝐧𝐬𝐭𝐚𝐮𝐫𝐞𝐫 𝐝𝐞 𝐧𝐨𝐮𝐯𝐞𝐥𝐥𝐞𝐬 𝐡𝐚𝐛𝐢𝐭𝐮𝐝𝐞𝐬 𝐚𝐟𝐢𝐧 𝐝'𝐚𝐦𝐞́𝐥𝐢𝐨𝐫𝐞𝐫 𝐥𝐚 𝐪𝐮𝐚𝐥𝐢𝐭𝐞́ 𝐝𝐞 𝐬𝐚 𝐯𝐢𝐞" aho hanampy anao hanatanteraka ny tanjonao, indrindra moa raha tsapanao fa
👉leo be ianao amin'ny fiainanao isanandro ao
👉mba te hivoatra koa ianao
👉tianao havadika tena fiainanao ilay nofinofinao ao an-dohanao ao
👉te hiova ianao fa tsy manana ilay bonne stratégie
👉manam-paniriana handroso fa tsy tafavoaka irery mila accompagnement
👉te hanana routine matinale mipetrapetraka tsara hahazoanao energie tsara be enti-miatrika ny journée isanandro
👉 sns ...
Raha mahatsapa iray amin'ireo fotsiny ianao dia tena ity challenge version premium ity no vahaolana ho anao fa manorata avy hatrany hoe 𝐏𝐑𝐄𝐌𝐈𝐔𝐌 ao amin'ny MP ao raha te hahazo ny andinindininy na hisoratra anarana avy hatrany. Tena natao prix 𝐜𝐚𝐝𝐞𝐚𝐮 ilay izy ho fanampiana anao.
Raha hoy kosa ianao hoe tsy ilaina izany miova mba hananana fiainana tsara kalitao izany dia mahereza no azoko lazaina anao 😊
Ma Voie Vers Moi
𝑈𝑛𝑒 𝑣𝑖𝑒 𝑑𝑒 𝑞𝑢𝑎𝑙𝑖𝑡𝑒́ 𝑠𝑒𝑙𝑜𝑛 "𝑀𝑂𝐼"