16/06/2025
⚖️ Zo hiarovan-tena eto Madagasikara
Ao anatin’ny rafitra ara-pitsarana iray manaja ny rariny sy ny zon’olombelona, manan-danja lehibe ny zo hiarovan-tena na "droit à la défense". Ity zo fototra ity dia manome antoka fa ny olona rehetra voampanga dia afaka:
- Mahafantatra ny vesatra iampangana azy,
- Miaro ny tenany ara-dalàna eo anatrehan’ny fitsarana tsy miangatra,
- Maka mpisolo vava (mpisolovava),
- Ananana fahafahana mitovy eo anatrehan’ny fitsarana.
📘 Ireo lalàna manamafy izany:
- Lalàm-panorenana: miantoka ny rariny sy ny fahafahana miaro tena.
- Didy aman-dalàna momba ny fitsarana: manome zo hanana mpisolovava hatrany amin’ny fisamborana.
- Fanampiana ara-pitsarana: manampy ireo tsy manam-bola hahazoana mpisolovava maimaim-poana.
👀Voambolana amin'ny teny Sinoa
辩护权 (biànhù quán)
辩护 (biànhù) = miaro tena eo anatrehan'ny fitsarana
权 (quán) = zo
律师 (lǜshī ) =mpisolovava
法律( fǎlǜ) = lalàna
法院 (fǎyuàn) = fitsarana
Manasa anao anaraka hatrany ny pejy