Mirana Fitness

Mirana Fitness 🏋️Sports et bien être
🏃‍♀️Série d'exercices
💡Astuces
💪Motivation
👚Vente tenue de Sport
(1)

🎉 Fetin'ny vehivavy - 8 Mars 🎉 ( Misy hafatra eo amin'ny sary )Amin'izao andro manokana izao dia miarahaba antsika vehiv...
08/03/2026

🎉 Fetin'ny vehivavy - 8 Mars 🎉 ( Misy hafatra eo amin'ny sary )
Amin'izao andro manokana izao dia miarahaba antsika vehivavy rehetra :
- ireo miasa mafy amin'ny sehatra rehetra
- ireo mitolona ho an'ny rariny
- ireo mijoro ho an'ny fiarahamonina sy ny fianakaviana

🌸 Ry vehivavy : tsarovy fa ny herinao dia tsy voafetra : ianao no reny , mpampianatra , mpiaro ary koa mpitarika ; koa mankahery antsika vehivahy rehetra ary mirary ny soa rehetra ho antsika 💕

🥰 Herin'ny vehivavy = Fiovana 💪

💖💖Ny andro androany dia tsy natokana ho an'ireo mpifankatia irery fa ho an'ireo olona manam-pitiavana rehetra.💖💖Miarahab...
14/02/2026

💖💖Ny andro androany dia tsy natokana ho an'ireo mpifankatia irery fa ho an'ireo olona manam-pitiavana rehetra.💖💖Miarahaba anareo tia sport rehetra, mahità vokatra araka ny iriana avy.😍
Hatomboy amin'ny tenanao ny fitiavana dia zarao amin'ny manodidina anao rehetra isan'andro.💖💖

👉 “Maninona aho no efa mikotrana be sy misakafo tsara nefa tsy mahita vokatra?”✴Maro ny olona mahatsapa izany. Ny antony...
13/02/2026

👉 “Maninona aho no efa mikotrana be sy misakafo tsara nefa tsy mahita vokatra?”

✴Maro ny olona mahatsapa izany. Ny antony dia mety ho:

❌Fahazarana kely tsy hita maso: 1-Toromaso tsy ampy
2-Ny stress avo

❌Fomba fanazaran-tena tsy voalanjalanja: Raha cardio fotsiny no atao, mety tsy hahita fivoarana amin’ny hozatra. Raha musculation fotsiny, mety tsy hihena.

🔑 ireto ary ny Fototra lehibe hahitana vokatra :
✅- Sakafo voalanjalanja: Tsy ampy ny mihinana kely fotsiny. Mila proteinina ampy (avy amin’ny hena, atody, tsaramaso), legioma sy voankazo isan-karazany, ary misoroka sakafo be siramamy sy tavy ratsy. Ny rano koa tena ilaina.

✅Aza mifantoka amin’ny cardio fotsiny. Amboary ny fandaharana: cardio + fanazaran-tena mampitombo hozatra (squat, push-up, deadlift). Izany no manampy amin’ny fandoroana tavy sy fanamafisana hozatra.

✅ Ny vatana dia tsy miova ao anatin’ny herinandro vitsivitsy. Mila fotoana sy faharetana. Ny fanovana kely atao tsy tapaka isan’andro no mitondra vokatra lehibe.

✅Torimaso : Raha tsy matory ampy dia tsy afaka mamerina sy manamboatra hozatra ny vatana. Ny torimaso tsara dia manampy amin’ny fihenan’ny lanja sy fanamafisana hozatra.

06/02/2026

❌ EXERCICE FESSIER BOMBÉ ❌
✴ Ireto exercice ireto dia averina 3 fois par semaine

✅ 15 répétitions 3 séries ( isakiny semaine dia tsara ny mampiakatra charge ,na ny répétition atao)

✅Fitaovana :haltère raha tsy misy dia ataovy tavohangy + élastique

✅ Afaka mividy élastique aty amiko izay mbola tsy manana

05/02/2026

Hizara exercice fessier bombé ho anareo zah rahampitso koa aza adino ary ny manaraka hatrany ny page🥰

03/02/2026

❌ EXERCICE DE GAIGNAGE ❌

✴Tombontsoa lehibe amin’ny fanaovana planche

✅1. Manamafy ny hozatra fototra toy ny abdominaux, lamosina ambany, valahana.

✅2- Ny fanaovana azy tsy tapaka dia manampy amin’ny fihenan’ny tavy sy fihenan'ny aretina lamosina

01/02/2026

Voaraiko daholo ny fangatahanareo 🥰🥰 ho zaraiko sy valiako tsikelikely eto daholo, fa ny vidéo ho atolotro anareo manaraka indray dia ny exercice corps complet .💪💪
Maro amintsika mantsy no tsy dia misy fotoana hikotranana fa Alahady ihany ohatra dia izay indray no hozaraiko amin'ny hoavy 🥰🥰. Mirary soa indrindra ho antsika rehetra.❤️

31/01/2026

❌ EXERCICE CARDIO ❌
Ireo olona tokony hanao ito exercice cardio ito 🏃‍♀️🚴‍♂️

🌟1. Olona te hanatsara ny fahasalamana ankapobeny

🌟2. Olona manana lanja mihoatra na te hihena

🌟3. Olona mipetraka ela na tsy mihetsika firy

🌟4. Atleta sy olona manao fanatanjahan-tena

🌟5. Olona te hanatsara ny toe-po sy ny saina

✅ Tsy mila matériel
✅ Atao 20 répétition ×3

🥰 Vita ny kotrana androany fa ireto misy Zava-dehibe atao rehefa avy mikotrana :🥤 1. Misotro rano- Ny rano dia mamerina ...
22/01/2026

🥰 Vita ny kotrana androany fa ireto misy Zava-dehibe atao rehefa avy mikotrana :

🥤 1. Misotro rano
- Ny rano dia mamerina ny hydration very tamin’ny hatsembohana ary manampy amin’ny fanarenana sela sy hozatra.

🧘‍♀️ 2. Stretching malefaka
-Manaova étirement kely rehefa vita kotrana mba hisoroka fanaintainana aorian’ny kotrana.

🍎 3. Mihinana sakafo maivana : yaourt sy akondro

🛁 4. Fandroana na do**he
- Rano mafana → manalefaka hozatra.
- Rano mangatsiaka → manampy amin’ny fanalefahana “inflammation”.

😴 6. Torimaso ampy
- Rehefa ampy tsara ny torimaso= vokatra tsara amin’ny kotrana.

🌼JUS DE BAOBAB 🌼Rehefa mahatsiaro vizana sy mitady harary iny rehefa avy mikotrana dia manaova jus de baobab hamerenana ...
20/01/2026

🌼JUS DE BAOBAB 🌼
Rehefa mahatsiaro vizana sy mitady harary iny rehefa avy mikotrana dia manaova jus de baobab hamerenana hery sy tanjaka indray !
Metetika fataoko izy ity ary tena nety tamiko dia zaraiko aminareo.

👉Ny fanaovana azy :
✅Maka rano mafana iray vera dia maka baobab iray atao ao anatiny
✅+ tantely iray sotro kely

Ny baobab dia akora voajanahary manampy amin'ny fifehezana ny fanaintainana sy ny fivontosana hozatra.
✴ Mbola misy ato amiko hoan'ireo izay mitady 😊

🔥 MOTIVATION sy DISCIPLINE💥 💪Efa misasaka ity ny volana Janvier fa aiza daholo ilay nilaza fa hanomboka kotrana 2026 ire...
14/01/2026

🔥 MOTIVATION sy DISCIPLINE💥

💪Efa misasaka ity ny volana Janvier fa aiza daholo ilay nilaza fa hanomboka kotrana 2026 ireny 🥰
🌟 Motivé be daholo nareo fa tsy mbola manomboka dia ito ny hafatra ho anareo :

💡Tsara ho fantatra fa ny hery lehibe indrindra amin’ny fanatanjahan-tena dia tsy ny hozatra fotsiny, fa ny saina sy fahazarana. Raha tsy misy motivation sy discipline, dia sarotra ny hahatratra tanjona.

- ✅Motivation ➡️ Izy no manosika anao hanomboka. Manome hery sy aingam-panahy rehefa reraka ianao.

- ✅Discipline ➡️ Izy no mitazona anao tsy hiala. Manampy anao hanaraka fandaharam-piofanana sy sakafo, na dia tsy misy hery aza.

👉 Ny fahombiazana dia tsy avy amin’ny zavatra ataonao indray mandeha, fa avy amin’ny fanaovana azy isan’andro.

👉 Ny vatana miova rehefa ny saina no voaofana hahay mitandrina sy tsy miala amin’ny lalana.

🌟Tadidio:
- Ny motivation dia manomboka ny dia.
- Ny discipline no mitondra anao hatramin’ny farany.

🌿 Rano mafana sa rano mangatsiaka no tsara sotroina? 💧  Fanontaniana matetika mipetraka io : 👉 Valiny : Rano mafana tsar...
13/01/2026

🌿 Rano mafana sa rano mangatsiaka no tsara sotroina? 💧

Fanontaniana matetika mipetraka io :
👉 Valiny : Rano mafana tsara koakoa hoan'ny fahasalamana ( na mikotrana na tsy mikotrana ianao)

✅Ireto ny tombontsoa azo avy amin'ny fisotroana rano mafana, indrindra raha sotroina amin'ilay vao mifoha iny izany :

🌟 Mitsabo vavony marary sady mampahazoto homana

🌟 Mampihena ny fanaintainana ho an'ireo vehivavy marary kibo rehefa tonga fotoana.

🌟 Manampy amin’ny fihenan’ny tavy.

🌟 Mampitombo hery isorohana ny homamiadana

🌟 Misoroka sy mitsabo ny aretin'ny fo

🌟 Misoroka sy mitsabo ny aretin'andoha

👉Rano mafana tsotra, tsy misy Hanitra na siramamy, no resahina eto. Amporisihina ny rehetra, na kely na lehibe, hizatra hisotro rano mafana.
✅-Rano mafana manodidina ny 45° C eo ho eo no tsara sotroina
✅-Rehefa mifoha maraina dia misotro rano mafana iray kaopy aloha, ka afaka 30 na 45 minitra vao misakafo

Address

Ampasapito
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mirana Fitness posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share