21/03/2026
Ny rivotra an-kibo na coliques dia matetika mampitahotra ny ray aman-dreny satria mitomany mafy ny zaza nefa toa tsy misy antony hita maso.
1. Ahoana no ahafantarana azy?
Mitranga matetika eo anelanelan'ny faha-2 herinandro sy ny faha-4 volan'ny zaza.
Mitomany mafy nefa efa voky sy voadio
Manakona tongotra manakaiky ny kibony ny zaza, mihamafy ny kibony, ary mena be ny tavany.
2. Inona no atao rehefa miseho izany? (Ny vahaolana haingana)
Ny fanorana ny kibo: Iny amin'ny fihodin'ny famantaranandro iny mba hanampiana ny rivotra hivoaka.
Ny fampandrezatana (Rotsy): Aza adinoina mihitsy ny mamparezaka ny zaza isaky ny avy minono
Ny fomba fitondra ny zaza: Apetraka mitsinkafona eo amin'ny sandrinao ny zaza (ny kibony mipetraka amin'ny sandrinao) ary kosehina moramora ny lamosiny.
Ny fampiasana hafanana: Azo atao ny mametraka lamba mafana kely (tsy may be) eo amin'ny kibony mba hampitony ny fanaintainana.
3. Ny fomba fisorohana
Ho an'ny reny mampinono: Tandremo ny sakafo mety hiteraka rivotra (oh: tsaramaso, laisoa, zava-pisotro misy gazy)
Raha mampiasa "biberon": Hamarino tsara raha tsy mitelina rivotra be loatra ny zaza