04/08/2026
🙏🇲🇬
Escrime
💯 Tontosa soamatsara teny amin'ny Akademiam-pirenenan'ny Fanatanjahantena (ANS) Ampefiloha, tamin'ny 1 sy 2 aogositra 2026 lasa teo, ny fiadiana tompondakan'i Madagasikara "Escrime" ho an'ny taom-pilalaovana 2025-2026.
🤺 Nahatonga solontena avokoa ireo ligim-paritra telo misy eto Madagasikara : Analamanga, Itasy sy Vakinakaratra. Niisa 35 kosa ireo mpikatroka nandray anjara, avy amin'ny klioba 6. Nitsinjara sokajy 7 lahy sy vavy izy ireo: M9, M11, M13, M15, M17, M19, sy sénior.
🎤 "Nampiavaka ity andiany ity ny fitomboan'ireo mpifaninana amin'ny sokajy zokiny. Tao ihany koa ny fampiasana ireo fitaovana vaovao, izay isaorana ny filohan'ny federasiona, Rakotondramanana Mickaël Harinelina, fa anisan'ny mandrisika ireo atleta izany", hoy Ramanandraivonona Elinjara Luc, tale teknika nasionalin'ny "Escrime".
❗Ankoatran'ny fiadiana ny anaram-boninahitra dia natokana hikatsahana toerana amin'ny fisoloana tena an'i Madagasikara any amin'ny fifaninanana iraisam-pirenena ho avy manaraka eo ihany koa ity fifaninanam-pirenena ity.
Araho tsy tapaka ny pejin'ny Radio Fivoarana 88.2 mhz sy ny radio.fivoarana.com