15/04/2026
🇲🇬 FANAMBARANA
Ny hetsika GenZ Madagasikara dia mampafantatra antsika rehetra, mpanaraka ny pejy, ny rafi-pitantanana, ny mpiara-mombon'antoka, ny haino aman-jery sy ireo vondrona nasionaly sy iraisam-pirenena isan-karazany fa i Herizo sy i Jenny dia tsy miara-dia amin'ny hetsika GenZ Madagasikara intsony ary tsy manana fahefana sy fahalalahana hijoro amin'ny anaran'ny hetsika manomboka ankehitriny.
👉🏽 Jenny dia niala tamin'ny hetsika tamin'ny sitrapony. Arak'izany dia tsy manana alalana na fahefana hiteny amin'ny anaran'ny hetsika intsony izy.
👉🏽 Herizo kosa dia nandalo dingana fitsarana anatiny (CODIS) mifanaraka amin'ny dina mifehy azy indrindra ny andininy voalohany izay miompana sy mifantoka amin'ny fangaraharahana tanteraka amin’ny atao rehetra.
Mifanaraka amin'izany dia mametraka mazava ny hetsika fa ireo fanapahan-kevitra na dingana na hetsika handraisan'i Herizo anjara ka fantatry hetsika sy neken'ity farany fa nataony dia tsy misy hidiran'ny andraikitry ny GenZ Madagasikara.
Manaraka hatrany ireo soatoavina sy andry hijoroany ny hetsika Gen Z Madagasikara. Ny ady amin'ny tsy maty manota, ny fitakiana ny rariny sy ny mangaraharaha ary ny fametrahana ny tany tan-dalàna, ireo dingana ireo no laharam-pahamehana ankehitriny.
Arak'izany, tsy miray petsapetsa na mifandray na mijery fotsiny ny hetsika ary indrindra, manameloka tanteraka ireo fomba na olona manatanteraka hetsika mifanohitra amin'ireo soatoavina iorenanny.
Ny soa iombonana sy ny tombotsoa an'ny besinimaro ary ny fandraisana andraikitra miaraka ireo teboka ireo no hirosoan'ny hetsika. Tsy fanana’olom-bitsy ny hetsika ary fampiasana ny anaran'ny hetsika ho tohatra fiakarana dia melohanay tanteraka.
Ho an’ny Taninjanaka !
Antananarivo, le 8 febroary 2026.