12/08/2026
📖 "Fa iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia?"
Inona no lesona sy torohevitra azontsika avy amin'izany ? 🤯
1️⃣ Aza manomboka zavatra raha tsy fantatra ny tena vidiny.
Tsy resaka trano fotsiny ihany fa ny fandaniana rehetra : mariazy, fianarana, fivarotana, sns. Vinavinao aloha ny mety ho lany!
2️⃣ Ny fanaovana tetibola dia tsy sazy ho anao fa hanampy anao amin'ny fiainana andavan'andro.
Raha manana nofy lehibe ianao, dia amboary tsara ny lalana mankany: inona avy ny dingana tsy maintsy diavina? ohatr'inona ny vola ilaina? ahoana ny fandaharam-potoana?
3️⃣ Ny tsy fanisana mialoha no mahatonga ny olana !!!
Misy olona manomboka tetikasa, fananganana, fividianana nefa tsy nanisa ny efa lany, tsy mijery ny eo ampelan-tanana ary tsy mieritreritra ny mbola ilaina...
4️⃣ Ny fahendrena dia manomboka amin'ny fanontaniana hoe
"Hanana ny ampy ve aho raha mandray an'io fanampahakevitra io?"
Misy tetikasa na nofinofy ara-bola ve ao am-ponao ankehitriny?