16/10/2026
Koa satria moa betsaka ianareo no nangataka azy ity dia indro ary 🌾🌱NY FOMBA FAMPIASANA NY ZEZI-KANKANA AMIN’NY Tanimbary!
💚Ho an'ny tanimbary Efa voaasa, mbola tsy nasiana zezika mihitsy, ary mbola tsy miandrindrano. Ireto misy torohevitra tsotra azo ampiharina!
✅ Rahoviana no tsara mampiasa zezika kankana amin'ny voly vary andrano?
Raha efa voaasa ny tanimbary ary mbola tsy nanetsa ianao, dia azo aparitaka amin’ny tany ny zezika kankana ary afangaro moramora amin’ny tany, raha mbola azo atao izany.
✅ Ahoana ny fampiasana azy?
🌱 Aparitaho mitovy amin’ny velaran-tany ny zezika.
🌱 Raha mbola azo atao, afangaroy amin’ny tany alohan’ny hanetsana.
🌱 Aza araraka fotsiny ao anaty rano ny zezika, satria mety hiparitaka sy ho very ny ampahany amin’ny otrikaina ao anatiny.
✅ Inona no tombontsoa azo antenaina?
🌿 Manampy amin’ny fanatsarana ny firafitry ny tany.
🌿 Manampy amin’ny fitazonan’ny tany ny hamandoana.
🌿 Mitondra otrikaina sy akora organika ilain’ny zavamaniry.
🌿 Manampy amin’ny fampivoarana ny zavamiaina mahasoa ao anaty tany.
⚠️ Fanamarihana: Miankina amin’ny velaran-tany sy ny kalitaon’ny zezika ny fatra ampiasaina(raha ho anay manokana 500-700kg/ha). Tsy voatery hahafeno irery ny filàn’ny vary rehetra ny zezika kankana, ka tsara ny mandinika ny toetry ny tany sy ny fitomboan’ny voly.
💚 Nahoana no tsara ny mikarakara ny tany?
Satria ny tany salama no fototry ny fambolena maharitra. Tsy ny habetsahan’ny zezika ampiasaina ihany no zava-dehibe, fa ny kalitaony sy ny fomba fampiasana azy koa.
🌾 Andao hiroso amin’ny fambolena manaja ny tany sy ny tontolo iainana!
Texte : Lombricompostage