Mihaja Ramilison

Mihaja Ramilison CHAMPIONN🏆🏆 , Ambassadeur d’

Salama e , mba misy zavatra tiko hamarinina kely Momba ny VTT eto Madagasikara Ary mba te andray ny hevitrareo ao am com...
11/08/2026

Salama e , mba misy zavatra tiko hamarinina kely Momba ny VTT eto Madagasikara Ary mba te andray ny hevitrareo ao am commentaires aho

Misy olona miteny hoe: “ Mamono Tena isika amin’ny sport izay tsy hitondra anareo ho aiza akory.”
Fa raha ny marina, iza no manery antsika hanao VTT? Tsy misy. Samy manana ny safidiny ny tsirairay. Raha mitady sport izay manana “avenir” ara-bola na ara-professionnel dia Mety hoe be dia be eto Madagasikara, dia misy sport hafa maro azonao isafidianana — na dia tsy tokony handainga amin’ny tena hoe tsy mora ny manangana carriùre sportive eto amintsika.

Fa ny VTT dia tsy natao fotsiny hoe hahazoana vola na laza. Voalohany izy ,Sport individuel,ary ko sport personnel. Mifaninana amin’ny hafa ianao, fa indrindra indrindra miady amin’ny tenanao ihany: amin’ny vatanao, ny sainao, ny tahotrao, ny fetranao, ary ny vĂ©lo-nao. Ary misy sensation sasany omen’ny VTT izay tena sarotra ampitahaina amin’ny sport hafa. Ilay vitesse, ilay descente, ilay terrain, ilay adrenaline, ilay fifantohana tanteraka amin’izay ataonao
 izany no passion.

Ary raha misy milaza hoe “maninona ianareo no manao an’io nefa tsy mitondra anareo any amin’ny toerana hafa?”, dia izao no valiny: tsy ny zavatra rehetra ataontsika eo amin’ny fiainana no tsy maintsy atao satria hitondra vola na carriĂšre. Misy zavatra ataontsika satria tiantsika. Misy zavatra ataontsika satria manome fahafahana antsika hiala kely amin’ny stress sy ny olana isan’andro. Misy zavatra ataontsika satria rehefa eo ambonin’ilay vĂ©lo isika dia mahatsiaro tena ho afaka. Ary tsy vtt descente ihany ny resaka eto va ny vĂ©lo en gĂ©nĂ©ral mintsy .

Marina, mbola tsy tena mandroso tahaka ny firenena hafa ny VTT eto Madagasikara. Tsy ampy angamba ny infrastructures, ny sponsors, ny moyens, ny compĂ©titions ary indraindray na ny organisation aza. Fa tsy midika izany hoe tsy misy valeur ilay sport. Ny passion dia tsy miandry ny fahafenoan’ny conditions vao misy. Izahay no manomboka, izahay no mitaingina, izahay no mifaninana, ary raha tiana hivoatra ilay sport dia mila mandray anjara amin’ny fananganana azy ihany koa isika.

Ary misy zavatra iray tiako tenenina amin’ireo riders sasany izay mitaky zavatra be dia be rehefa misy compĂ©tition:
“Manaova compĂ©tition , dia ho hitanao.”

Mora ny mijery avy any ivelany dia mitsikera hoe ratsy ny organisation, tsy ampy izao, tsy ampy izao, tsy mety iny. Fa andramo ianao mihitsy ny mikarakara compĂ©tition: mitady terrain, mitady autorisation, mitady sponsors, mitady matĂ©riel, miantoka ny sĂ©curitĂ©, mitady olona hanampy, mandamina ny timing, miatrika ny imprĂ©vus
 vao ho hitanao ny lanjan’ny asa ao ambadika.

Tsy midika akory izany hoe tsy tokony hisy critique. Ilaina ny critique raha constructive. Fa raha tena tiana hivoatra ny VTT, dia tsy ampy ny mitaky. Mila manampy koa. Mila manolotra solution. Mila mandray responsabilitĂ©. Mila manaja ny mpikarakara sy ny ezaka ataon’ireo olona izay manome ny fotoanany mba hahafahantsika rehetra mitaingina sy mifaninana.

Ary farany, io angamba no zavatra tena tiako asongadina:

Rehefa miditra amin’ny course ianao, dia ianao sy ny vĂ©lo-nao no eo.

Raha tsara ny course-nao, dia raiso ny mĂ©rite. Raha ratsy kosa, dia aza mitady olona homen-tsiny foana. Mety ho physique, mety ho mĂ©canique, mety ho mental, mety ho Ă©motionnel, na mety hoe tsy ampy prĂ©paration fotsiny. Fa izay indrindra no mampiavaka ny VTT: mampianatra anao handray responsabilitĂ© amin’ny zavatra ataonao.

Mety ho potika ny vélo. Mety ho reraka ny vatana. Mety ho diso ny ligne. Mety ho very concentration. Mety ho lavo. Mety ho very course. Fa mbola misy zavatra iray foana: miverina mitaingina.

Tsy milaza aho hoe ny VTT no sport tsara indrindra ho an’ny rehetra. Fa ho an’izay tia azy, dia ampy izay.

Tsy mila manamarina amin’olona rehetra hoe nahoana isika no tia VTT. Tsy mila mitady justification foana hoe “inona no ho azoko amin’io?” Satria indraindray, ny zavatra tena sarobidy amin’ny fiainana dia tsy ilay zavatra mitondra vola indrindra, fa ilay zavatra mahatonga antsika hahatsapa hoe velona isika.

Ary ny olon manan-danja am fiainako (ny namako , sy ny mpiara pankafiha ilay taranja) hatramzay ary ankehitriny dia mbola avy amin’ito taranja ito , merci be anareo fona mbola eto fona hatram zay ka hatram zao na ireo namana vaovao ary â€ïžđŸ™

VTT no passion-nay. Tsy voatery ho azon’ny rehetra izany. Fa raha tsy azonao, farafaharatsiny, hajao. đŸš”â€â™‚ïžđŸ‡Č🇬

Salama daholy , avis aux connaisseurs et passionnĂ©es Je vends ce trĂšs onĂ©reux casque d’élite, le TROY LEE DESIGNS D2 mat...
10/08/2026

Salama daholy , avis aux connaisseurs et passionnées

Je vends ce trĂšs onĂ©reux casque d’élite, le TROY LEE DESIGNS D2 matt black Ă©dition .

IdĂ©ale pour vos enfants qui souhaite commencer la DH ou l’enduro ou pour les adultes avec une petite tĂȘte , taille xs/s Ă  seulement 950g pour une protection crĂąnienne maximal .

Quelques traces d’usure mais 0 casse , 0 fissure , vĂ©rifiable .

550.000 ar

09/08/2026

Tena mafy ilay piste Ambatondradama , tena vitsy tena vitsy no tsy nenjera tao , zay ilay lalao , niveau natao iakatra fona , fa tsara iny .

Run 1ere place DH 🙏

Tres beau weeeknd , bravo Ă  la  cyclisme analamanga pour cette premiĂšre .Bravo Ă  tous les gars , tout le monde a essayer...
09/08/2026

Tres beau weeeknd , bravo Ă  la cyclisme analamanga pour cette premiĂšre .
Bravo Ă  tous les gars , tout le monde a essayer de s’amuser un maximum durant ce weekend Ă©t c’est l’essentiel ❀

Samedi P3 Ă©lite enduro 🙏
Dimanche p1 Ă©lite DH 🙏

08/08/2026

TrÚs belle remontada pour ma part pour cet enduro du samedi , bravo les fusées devant moi ét félicitation au grand champion de la derniÚre course Toky , cest le game le meilleur reste à venir

OVERAL p3 , satisfait du rĂ©sultat, peu importe jai tout donnĂ© 🙏

Focus sur le dh maintenant 😋

06/08/2026

Mini raw

Tsy azo atao ambany zavatra ny saut dia mba nikotrana kely androany nanao saut Ambohimanga .🙏

03/08/2026

POV dh Ambatondradama Ă©t spĂ©ciale 1 enduro ny 8-9 aoĂ»t đŸ”„
Tsy eno tsony ny tanana Tonga arrivĂ©đŸ˜‚đŸ„Č

27/07/2026

Raha matahotra ny tsy hahomby ianao, dia efa resy sahady 🙂

24/07/2026

Mlay kosa tony souvenir tonyđŸ€Ł
Io 1ere partie an ilay compétition DH

24/07/2026

AMBATONDRADAMA DH
Io ny moitié an ny piste ho atao am 9 Aout araka ny fanapanhan kevitra farany , mety efa tsy de ohatran zao tsony ny piste ao fa efa simba be fa Vomay mo tsara zany .
Horonantsary efa tam zay mbola minime mo tony đŸ€Ł

Address

Madagascar
Antananarivo

Telephone

+261386732035

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mihaja Ramilison posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Mihaja Ramilison:

Shortcuts

Share