06/06/2026
🌿 Andro faharoa sady famaranana ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Tontolo Iainana 🌿
➡️ Maro ianareo no nandalo nitsidika ny Trano eva nisy ny Valanjavaboahary Tsimbazaza,maneho fankasitrahana feno anareo rehetra tamin’ny fitsidihana sy fanohanana ny voka-pikarohana izay nampiratianay 🙏
🏀 Nampiavaka ity andro faharoa ity ihany koa ny fisian’ny lalao "Basket-ball" , izay nandraisan’ny ekipan’ny "Basket" ato amin’ny Valanjavaboahary Tsimbazaza anjara, ka nanampy hafaliana sy firaisankina nandritry ny hetsika.
🌱 Mankasitraka antsika rehetra ary manantena ny fiaraha-mientana hatrany amin'ny fiarovana ny tontolo iainana.