Ma tv News

Ma tv News Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Ma tv News, Ankorondrano, Ivato.

02/09/2026

Hanatanteraka seho goavana etsy Mahamasina ny 20 ny volana septambra hoavy izao ny tarika Reko, izay fantatra amin’ny gadona Folk Progressif eto Madagasikara.

02/09/2026

Niroso tamin’ny fanadiovana faobe ny Village tourisitique tany Mahajanga ny mpikarakara ny festival miara-miabo tao aorian’ny fahavitan’ny hetsika . Nitarika ny fanadiovana I Zouzar Bouka

02/09/2026

Mbola anisan’ireo sokajin’olona very zo eto Madagasikara ny zokiolona. Io no nambaran’ny filohan’ny Fikambanan’ny Zokiolona eto Madagasikara, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nokarakaraina tao anatin’ny fanamarihana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Alzheimer. Anisan’ny olana lehibe nasongadiny ny tsy fisian’ny lalàna mamaritra mazava ny fiahiana sy ny fiarovana ny zokiolona eto Madagasikara

02/09/2026

Manamafy ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ny fampitomboana ny fampiasam-bola eto Madagasikara i Etazonia araky ny nambaran’i Tom Bevan, Mpirakidraharaha eo anivon’ny Masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara raha nihaona tamin’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Ramiarison Herinjatovo Aimé.

02/09/2026

𝐍𝐢𝐬𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐨𝐦𝐚𝐥𝐲 tolakandro 𝐧𝐲 "𝘿𝙞𝙣𝙞𝙠𝙖 𝙛𝙖𝙠𝙖𝙣-𝙠𝙚𝙫𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙝𝙖𝙣𝙤𝙢𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙛𝙞𝙙𝙞𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖" 𝐭𝐞𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐋𝐚𝐩𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐈𝐚𝐯𝐨𝐥𝐨𝐡𝐚.𝐍𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐯𝐚𝐨𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐑𝐞𝐩𝐨𝐛𝐥𝐢𝐤𝐚, 𝐧𝐲 𝐊𝐨̂𝐥𝐨̂𝐧𝐞𝐥𝐲 𝐑𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐈𝐑𝐈𝐍𝐀 𝐌𝐢𝐜𝐡𝐚𝐞̈𝐥, no 𝐭𝐨𝐦𝐩𝐨𝐧'𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐲 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐯𝐚𝐡𝐢𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲

02/09/2026

Vinavinaina ho vita ny volana jona 2027 ny fanamboarana ny lalana mampitohy an’i Ilempona hatrany Belanitra, ao amin’ny Distrikan’Antanifotsy, araka ny fanazavana nomen’ny minisitry ny vavety nandritry ny fidinany ifoty nanaramaso ny asa fanamboarana, ny faran’ny herinandro teo

02/09/2026

Nitrangana haintrano mahatsiravina tao amin'ny fokontany Andranomavo, kaominina Vatana, distrikan'I Manakara ny alatsinainy 31aogositra lasa teo. Efa nisy ny fijerena ireo traboina nataon’ny tompon’andraiki-panjakana.

02/09/2026

Vehivavy roa no voasambotry ny zandary tao Ambohimanjaka, distrikan’Ambositra, noho ny fiahiahiana ho fanaparitahana vola sandoka 20 000 Ariary. Vola sandoka miisa 158, mitentina 3 160 000 Ariary, no voalaza fa tratra tany amin’izy ireo.

02/09/2026

Efa vita ny alatsinainy teo ny fizahana ireo razan’ireo efa-dahy namono an’i Stephanie sy Haingotiana ary efa nalain’ny fianakaviany ireo razana ireo taorian’izay.

Address

Ankorondrano
Ivato

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ma tv News posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share