Mik'ifa Sport

Mik'ifa Sport "​​Ta dose quotidienne de passion"
par Nomena Mika. Concepteur de la Rubrique "Training Loops & Sport" (Dream'in TV)📺.

Ny ekipan'ny Maestro FC/Joga Bonito🔥Amin'ny Fokontany Tournament and Fiesta⚽️📸: Rastacom NG
01/09/2026

Ny ekipan'ny Maestro FC/Joga Bonito🔥
Amin'ny Fokontany Tournament and Fiesta⚽️

📸: Rastacom NG

Voahosotra ho tompondakan’i Afrika amin’ny eFootball lalaovina amin'ny console i Madagasikara nandritra ny FIFAe Contine...
29/08/2026

Voahosotra ho tompondakan’i Afrika amin’ny eFootball lalaovina amin'ny console i Madagasikara nandritra ny FIFAe Continental Championship Africa 2026, taorian’ny nandreseny an’i Maraoka tamin’ny famaranana.🔥

Roberto sy Rayan no nisolo tena an’i Madagasikara ary nanome voninahitra ny firenena nandritra ity fifaninanana natao tao Casablanca, Maraoka ity.
Nahavita remontada mahafinaritra ireo Malagasy, ka nahazo fandresena 2 noho 1, taorian’ny nitaritan’i Maraoka tamin’ny isa 1 noho 0.📈

Noho izao fandresena sy anaram-boninahitra kaontinantaly izao dia nahazo ny tapakila hiatrika ny dingana famaranana eran-tany amin’ny FIFAe Finals 2026 ny ekipan’i Madagasikara. 🇲🇬🔥🎮

Arahabaina Roberto sy Rayan! Mirehareha aminareo i Madagasikara! 🇲🇬❤️

🚨Lasa ity🔥🏆 QUALIFICATIONS CAN 2027 ⚽️Ireto avy ny fihaonana roa voalohany miandry ny Barea de Madagascar amin’ny fifani...
28/08/2026

🚨Lasa ity🔥

🏆 QUALIFICATIONS CAN 2027 ⚽️

Ireto avy ny fihaonana roa voalohany miandry ny Barea de Madagascar amin’ny fifanintsanana ho an’ny CAN 2027. ⚽🌍

🇳🇬 Nigeria 🆚 Madagascar 🇲🇬
📅 25 Septambra 2026 | 🕔 17h GMT
🏟 Godswill Akpabio International Stadium
📍 Uyo, Nigeria

🇲🇬 Madagascar 🆚 Tanzanie 🇹🇿
📅 29 Septambra 2026 | 🕓 16h GMT
🏟 Stade d'honneur de Meknès
📍 Maroc

Cours MA ARBITRE Elite(18 au 22 Août 2026).Vita androany ilay fiofanana teto Antananarivo. Nataon'ireo mpitsara Elite✍️....
22/08/2026

Cours MA ARBITRE Elite(18 au 22 Août 2026).

Vita androany ilay fiofanana teto Antananarivo. Nataon'ireo mpitsara Elite✍️.

Fa souvenir mipetraka ho aty ity sary ity, Arbitre tena nanana ny maha izy azy ireo:

▶️Jean-Baptiste Bultynck avy any Belgique🇧🇪
▶️Désiré Doué Noumandiez avy any Côte d'ivoire🇨🇮(Dadatoan-dry Désiré Doué sy Guéla Doué🇫🇷🇨🇮)

Formation izay niarahan'ny Fédération Malagasy de Football sy ny FIFA niasa izy ity mba hirecyclena ireo Arbitres Elites eto Madagasikara🇲🇬.

🚨NB: Tsy arbitre aho akory

Aza ahiako ka izao tokoa no hiseho🤣😭
20/08/2026

Aza ahiako ka izao tokoa no hiseho🤣😭

🚨Bayern Munich🚨: Nianjera tampoka teo am-pilalaovana fanindroany tao anatin’ny telo andro i Jamal Musiala.😞Niteraka taho...
18/08/2026

🚨Bayern Munich🚨: Nianjera tampoka teo am-pilalaovana fanindroany tao anatin’ny telo andro i Jamal Musiala.😞

Niteraka tahotra indray ny zava-nitranga tamin’i Jamal Musiala. Niatrika lalao ara-pirahalahiana vaovao nanoloana an’i Heidenheim ny Bayern Munich androany. Nitarika 2-1 i Heidenheim teo amin’ny tapany voalohany, saingy nahavita niverina tsara ny Bayern.

Na izany aza, ny vaovao tena mampiahiahy dia mahakasika indray an’i Jamal Musiala. Nampidirin’i Vincent Kompany teo amin’ny minitra faha-61 ity tanora 23 taona ity, saingy minitra vitsy monja taorian’ny nidirany dia nianjera tampoka teo ambony kianja.

Voatery nosoloina izy teo amin’ny minitra faha-69, ka i Kiala no nisolo azy.

Niezaka niaro an’i Musiala tsy ho azon’ny fakantsary sary ireo mpiara-milalao taminy raha mbola teo amin’ny tany izy. Afaka nitsangana ihany anefa izy avy eo, ary notarihin’ireo mpitsabo sy mpiasan’ny Bayern Munich nankany amin’ny efitrano fisoloana akanjo.

Ity no fahalavona fanindroany nahazo azy tao anatin’ny telo andro, taorian’ilay tranga nitranga tamin’ny lalao nanoloana ny RB Leipzig (3-1), izay nahazo azy ihany koa minitra vitsy taorian’ny nidirany teo amin’ny lalao.

Mbola miandry ny fanazavana ofisialy avy amin’ny Bayern Munich ny rehetra. Saingy mazava fa mampanahy ireo tranga roa ireo, indrindra fa efatra andro monja sisa no tavela alohan’ny hanombohan’ny Bundesliga.

Filaharan'ny Fifaninanana nationaly (Championnat) amin'ny taranja baolina kitra rehetra eto Afrika⚽️. Miisa 54 izy ireo ...
15/08/2026

Filaharan'ny Fifaninanana nationaly (Championnat) amin'ny taranja baolina kitra rehetra eto Afrika⚽️.
Miisa 54 izy ireo ary Faha-38 no misy an'i Madagasikara sy ny PFL (Pureplay Football League)🇲🇬.

Azo lazaina hoe mbola tsaratsara toerana ihany🔥

12/08/2026

Ny réaction an'ny mpiara-milalao amin'i Yan Diomandé rehefa nanontaniana izy hoe firy taona😭🤣🇨🇮

Sary tamin'ny 14 Novambra 2024 izy ity📸Dia ity misy fanazavana ny resaka contrat Tripartite nataon'i Roro, Fanjakana, FM...
08/08/2026

Sary tamin'ny 14 Novambra 2024 izy ity📸

Dia ity misy fanazavana ny resaka contrat Tripartite nataon'i Roro, Fanjakana, FMF.

🔴 MOMBA ILAY RESAKA “KARAMAN'I COACH RÔRÔ”

Mihamaro amin'izao fotoana izao ny publication sy commentaire manenjika ny Fédération Malagasy de Football (FMF) momba ny resaka karaman'i Coach Romuald “Rôrô” Rakotondrabe.

Alohan'ny hanamelohana na handotoana ny FMF anefa, aleo aloha apetraka mazava ny chronologie sy ny zava-misy.

━━━━━━━━━━━━━━━━━━
📅 30 MAI 2023 – FANENDRENA AN'I COACH RÔRÔ
━━━━━━━━━━━━━━━━━━

Tamin'ny 30 Mai 2023, i Romuald Rakotondrabe, fantatra amin'ny anarana hoe Coach Rôrô, no voatendry ho sélectionneur des Barea A, nisolo an'i Nicolas Dupuis.

Tamin'io vanim-potoana io dia nahazo vokatra lehibe ihany koa izy, anisan'izany ny faha.telo tamin'ny CHAN 2023 sy ny volamena tamin'ny Jeux des Îles 2023.

━━━━━━━━━━━━━━━━━━
📅 17 MAI 2024 – CONTRAT VAOVAO
━━━━━━━━━━━━━━━━━━

Tsy tokony hadinoina koa fa tamin'ny 17 Mai 2024 dia nanao sonia contrat vaovao i Coach Rôrô, izay nitazona azy ho sélectionneur hatramin'ny Oktobra 2026.

Ary tena zava-dehibe ity:

👉 Contrat tripartite izy io, nahitana ny Coach Rôrô + FMF + Ministère de la Jeunesse et des Sports.

Noho izany, raha resaka fandoavana karama no atao, tsy azo atao ny mametraka ny FMF irery ho tompon'andraikitra, raha tena contrat tripartite no nifanarahana.

━━━━━━━━━━━━━━━━━━
🔴 14 NOVAMBRA 2024 – DÉMISSION
━━━━━━━━━━━━━━━━━━

Ity no daty tsy maintsy hazava tsara:

👉 14 Novembre 2024

Taorian'ny lalao Madagascar – Tunisie, dia nametra-pialana i Coach Rôrô tamin'ny maha-sélectionneur ny Barea A azy.

Ny FMF mihitsy no nanamafy izany tamin'ny communiqué ofisialy nivoaka ny 16 Novembre 2024, nilaza mazava fa nitranga taorian'ny lalao tamin'i Tunisie tamin'ny 14 Novembre 2024 ny démission.

Ary inona no nataon'ny FMF?

➡️ Tsy nitazona azy an-tery.
➡️ Tsy namela fahabangana teo amin'ny Barea.
➡️ Nandray fanapahan-kevitra haingana.
➡️ Gilles Hugon no nampandraisina vonjimaika ny fitantanana ny ekipam-pirenena.

Izany rehetra izany dia voarakitra ao amin'ny communiqué ofisialin'ny FMF.

━━━━━━━━━━━━━━━━━━
💰 KA AIZA NO MISY ILAY RESAKA KARAMA?
━━━━━━━━━━━━━━━━━━

Eto indrindra no tokony hahay hanavaka zavatra roa:

❌ Tsy mitovy ny hoe:

“Tsy nahazo karama tamin'ny asa nataony izy”

sy ny hoe:

“Mbola tokony handray karama izy rehefa efa nametra-pialana.”

Araka ny fanazavan'i Coach Rôrô tamin'ny resadresaka iray tamin'ny 2025, nilaza izy fa mbola nisy salaires talohan'ny démission teo am-pandaminana, ary nanazava koa fa ny contrat-ny dia tokony haharitra hatramin'ny Oktobra 2026.

Nilaza ihany koa izy fa telo ny mpandray anjara amin'ny fandoavana ny karamany: ny État, ny FMF ary ny sponsor, ary araka ny fanazavany dia 60 % ny État ary 40 % ny FMF.

👉 Midika izany fa tsy rariny ny manome sary amin'ny olona hoe FMF irery no tokony hamoaka ny vola rehetra, raha araka ilay fanazavana dia misy antoko maromaro voakasika.

━━━━━━━━━━━━━━━━━━
❓ FA MANINONA MOA?
━━━━━━━━━━━━━━━━━━

Raha tena misy vola mbola tsy voaloa amin'ny Coach Rôrô, dia tokony hapetraka amin'ny fomba mazava:

Iza no tokony handoa?

Inona ny période nanaovana ilay asa?

Inona ny montant mbola tsy voaloa?

Inona ny andraikitry ny État?

Inona ny andraikitry ny FMF?

Inona ny anjaran'ny sponsor?

Ary indrindra:

👉 Inona marina no voalazan'ny contrat nosoniavin'ny antoko telo?

Satria tsy tokony ho lasa fitaovana politika na fitaovana fanaratsiana ny resaka karaman'ny Coach.

━━━━━━━━━━━━━━━━━━
🇲🇬 KA MANINONA NO FMF IHANY NO IHARAN'NY FANEJEHANA?
━━━━━━━━━━━━━━━━━━

Raha État + FMF + sponsor no voakasika amin'ny financement, dia mampametra-panontaniana:

❓ Fa maninona moa ny FMF ihany no iharan'ny fanenjehana sy fanaratsiana?

❓ Fa maninona no tsy hazavaina amin'ny vahoaka manontolo ny tena rafitra sy ny andraikitry ny antoko tsirairay?

❓ Fa maninona no lasa “FMF tsy mandoa karama” avy hatrany no hafatra aparitaka, raha mbola misy contrat sy partenaires maro voakasika?

Aleo ny antontan-taratasy sy ny zava-misy no hiteny.

━━━━━━━━━━━━━━━━━━
⚠️ ARY MOMBA ILAY FANARATSIANA MIHITSY?
━━━━━━━━━━━━━━━━━━

Tsy tokony hanendrikendrika olona tsy misy porofo isika.

Fa azo apetraka kosa ny fanontaniana:

👉 Iza no tena mahazo tombontsoa amin'ny fanaparitahana ady sy fifandirana eo amin'ny Coach Rôrô sy ny FMF?

👉 Nahoana no amin'izao fotoana izao no miverina avoaka sy ampiasaina amin'ny fanenjehana ny FMF ity raharaha ity?

👉 Moa ve misy olona na vondrona efa ela no nitady toerana na fahefana ao anatin'ny football Malagasy ka manararaotra izao toe-javatra izao?

Ireo dia fanontaniana mila valiana amin'ny porofo, fa tsy tokony hanamelohana olona mialoha.

Ary indrindra, tsy tokony hampiasaina ho fitaovana handotoana ny Fédération Malagasy de Football ny fahafahan'i Coach Rôrô mitady na mandray opportunité vaovao any ivelany.

━━━━━━━━━━━━━━━━━━
🛡️ FMF: AZO TSIKERAINA, FA AZA TONGA AMIN'NY FANDAINGANA
━━━━━━━━━━━━━━━━━━

Ny FMF dia azo tsikeraina raha misy lesoka.

Fa ny tsikera dia tokony hiorina amin'ny zavzava-misy.

Ahoana ny tena marina? Iza no tena diso?

Raha tena tanteraka eo i Rodri lasa FC Barcelone dia izao no henonareo rehefa mandeha ny tiki-taka⚽️ :🎙️ Commentateur au...
07/08/2026

Raha tena tanteraka eo i Rodri lasa FC Barcelone dia izao no henonareo rehefa mandeha ny tiki-taka⚽️ :

🎙️ Commentateur au micro :

« Rodri… Pedri… Pedri… Rodri… Rodri… Pedri… Rodri-Pedri ! Pedri-Rodri ! Rodri, Pedri, Pedri, Rodri… »

Le ballon ne quitte jamais leurs pieds !🤣

Address

Itaosy
Antananarivo
102

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mik'ifa Sport posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category