Lemanoto Mascotte AB Ofisialy

Lemanoto Mascotte AB Ofisialy Ity Pejy ity dia natao mba hifaneraserana @ ireo mpakafy baolina Kitra , indrindra fa ireo izay maniry hiara hiasa aminy Mascotte !!

Misaotra betsaka !

19/08/2026
13/08/2026

📢 ZOLA RAVELOARISON sy ny BOSCO FC Seychelles

Mila apetraka mazava ny marina amin’ity raharaha Zola ity. Tsy tokony hoentina amin’ny fihetseham-po na amin’ny fitarainana amin’ny tambazotra sosialy fotsiny ny raharaha, fa tokony hojerena koa ny ezaka, ny fandaniana ary ny zon’ilay klioba namolavola ilay mpilalao nandritra ny taona maro.

🔴 10 TAONA NAMPIASAN’NY CLUB NY LOHARANONY SY NY EZAKA

Nandritra ny 10 taona, tsy nilalao maimaim-poana tao amin’ny klioba fotsiny i Zola. Nisy ny sakafo, fitafy, fitaovana, fampiofanana, fitsaboana, fikarakarana rehefa naratra, ary fandaniana maro tsy hitan’ny besinimaro.

Ny klioba no nandray ny andraikitra sy namolavola azy mandra-pahatongany ho mpilalao manana lanja.

Tsy misy milaza fa tokony hosakanana tsy handroso i Zola. Raha misy klioba vaovao maniry azy dia ara-dalàna izany. Fa ara-dalàna ihany koa raha mitaky ny fanajana ny ezaka sy ny zon’ny klioba namolavola azy ilay klioba niaviany.

💰 ARY INONA NO TOKONY HOJERENA? NY SANDA.

Raha 1 000 € no efa naloan’ny klioba tamin’ny fahazoana azy tany am-boalohany, ary nandritra ny 10 taona indray no nampiasana vola sy fotoana tamin’ny fampandrosoana azy, dia tena rariny ve raha 600 € monja no atolotra rehefa hifindra?

Tsy hoe “vidin’olona” akory no resahina eto, fa fankasitrahana sy fanajana ny fampiasam-bolan’ny klioba.

⚠️ AZA ATAO HO FAHADISOAN’NY CLUB NY FIAROVANA NY ZONY!

Rehefa tsy manaiky tolotra tsy mifanaraka amin’ny sanda sy ny ezaka nataony ny klioba, dia tsy midika izany fa “manakana ny hoavin’ny mpilalao”.

Ny klioba koa manana zo.

Raha tiana handroso ny baolina kitra Malagasy, tsy tokony ho lasa toerana mamboly sy mamolavola mpilalao amin’ny fandaniana be ny klioba Malagasy, dia rehefa tonga amin’ny ambaratonga ambony ilay mpilalao dia alaina mora foana.

🇲🇬 Hajao ny CLUB Malagasy. Hajao ny ezaky ny mpitantana. Hajao ny mpanazatra. Hajao ny mpampiasa vola. Hajao ny rafitra namolavola ny mpilalao.

12/08/2026

Coach RORO

📞 Ireto ireo laharana ahazoana ny Polisimpirenena eto Antananarivo.👮‍♂️ Azo antonina hatrany koa ireo Polisimpirenena re...
07/07/2026

📞 Ireto ireo laharana ahazoana ny Polisimpirenena eto Antananarivo.

👮‍♂️ Azo antonina hatrany koa ireo Polisimpirenena rehetra izay efa miparitaka any an-kianja raha misy ilàna izany.

03/07/2026

🎒BACK TO SCHOOL EXPO MADAGASCAR 🎒

La rentrée la plus pratique et la plus complète vous attend ici !

Nous vous invitons à ne pas manquer cet événement incontournable dédié aux élèves, parents et professionnels 👇

Date : 3, 4, 5 & 6 septembre
Lieu : Stade Barea - Mahamasina

Au programme :

📚 Fournitures scolaires pour bien préparer la rentrée
👕 Accessoires et vêtements pour l’école
👟 Chaussures pour enfants et élèves
🏫 Crèche & centre de formation pour accompagner les enfants et les jeunes
💼 Speed recruiting pour saisir de nouvelles opportunités professionnelles

Tout ce dont vous avez besoin pour la rentrée réuni en un seul endroit !

🎯 Venez en famille, préparez votre rentrée facilement et profitez des nombreuses opportunités sur place !

✅Une rentrée simple, rapide et réussie commence ici !

⚽️𝐐𝐮𝐚𝐥𝐢𝐟𝐢𝐜𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧𝐬 𝐚𝐟𝐫𝐢𝐜𝐚𝐢𝐧𝐞𝐬 𝐩𝐨𝐮𝐫 𝐥𝐞𝐬 𝐉𝐞𝐮𝐱 𝐎𝐥𝐲𝐦𝐩𝐢𝐪𝐮𝐞𝐬 𝐝𝐞 𝐋𝐨𝐬 𝐀𝐧𝐠𝐞𝐥𝐞𝐬 𝟐𝟎𝟐𝟖FIN DU MATCHMADAGASCAR🇲🇬 1-0  🇸🇸SOUDAN DU SUD (M...
09/06/2026

⚽️𝐐𝐮𝐚𝐥𝐢𝐟𝐢𝐜𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧𝐬 𝐚𝐟𝐫𝐢𝐜𝐚𝐢𝐧𝐞𝐬 𝐩𝐨𝐮𝐫 𝐥𝐞𝐬 𝐉𝐞𝐮𝐱 𝐎𝐥𝐲𝐦𝐩𝐢𝐪𝐮𝐞𝐬 𝐝𝐞 𝐋𝐨𝐬 𝐀𝐧𝐠𝐞𝐥𝐞𝐬 𝟐𝟎𝟐𝟖
FIN DU MATCH

MADAGASCAR🇲🇬 1-0 🇸🇸SOUDAN DU SUD (MATCH RETOUR)

✅Tafiakatra amin'ny dingana manaraka i MADAGASIKARA🇲🇬 ka hifanandrina amin'ny Afrika Atsimo @ fiodinana faha 2 ny lalao savaranonando amin'ny fifanintsanana ho an'ny Lalao Olympika LA 2028



08/06/2026
28/05/2026
🚨Fenêtre FIFA-JUIN 2026 - 𝐌𝐚𝐭𝐜𝐡𝐬 𝐚𝐦𝐢𝐜𝐚𝐮𝐱🚨🔥⚽LA LISTE DES BAREA🇲🇬MAROC🇲🇦 🆚 🇲🇬MADAGASCAR🏟: Stade Moulay Abdellah - Rabat🗓: ...
26/05/2026

🚨Fenêtre FIFA-JUIN 2026 - 𝐌𝐚𝐭𝐜𝐡𝐬 𝐚𝐦𝐢𝐜𝐚𝐮𝐱🚨
🔥⚽LA LISTE DES BAREA🇲🇬

MAROC🇲🇦 🆚 🇲🇬MADAGASCAR
🏟: Stade Moulay Abdellah - Rabat
🗓: 2 juin 2026
--------------------------------------------------
MADAGASCAR🇲🇬 🆚 🇺🇬OUGANDA
🏟: Grand Stade de Marrakech
🗓: 8 juin 2026



Voir moins

Address

Antananarivo

Telephone

+261343351543

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Lemanoto Mascotte AB Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Lemanoto Mascotte AB Ofisialy:

Shortcuts

Share