21/08/2026
𝗥𝗲𝘀𝗮𝗸𝗮 𝘃𝗮𝗿𝘆 𝗵𝗮𝗳𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 :
🔥𝗧𝘀𝘆 𝗵𝗶𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗳𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝘃𝗮𝗿𝘆 𝗴𝗮𝗯𝗼𝗿𝗮𝗿𝗮𝗸𝗮, 𝗵𝗼𝘆 𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗛𝗮𝗶𝗻𝗴𝗼𝘁𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗶𝗮𝗺𝗮𝗱𝗶𝘀𝗼𝗻.
🔹Nitondra fanazavana momba ilay fampiatoana vonjimaika ny fampiharana haban-tseranana sy ny hetra alaina amin'ny vary hafarana izay tapaka nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly Alarobia 10 Aogositra 2026, ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifana.
🔹Mbola tsy ampy hamaliana ny filan'ny mpanjifa malagasy ny voka-bary eto an-toerana, hoy izy ireo. Tsy maintsy tsentsenana amin'ny vary hafarana izay fahabangana izay, indrindra amin'izao fotoana akaiky hidirana amin'ny vanim-potoanan'ny maitso ahitra izao. Nanome toky kosa ny Minisitra tompon'andraikitra fa tsy hisy ny fanafarana vary gaboraraka.
🔹Tsy mijery mitanila ny Fitondram-panjakana raha nandray izao fanapahan-kevitra fampiatoana vonjimaika ny hetra amin'ny fanafaram-bary izao, manoloana ny fitarainan'ny mpamboly vary amin'ny fitotonganan'ny vidin'ny vary akotry teo aloha, hoy ny fanazavana.
_____________________
Araho hatrany ny pejintsika, aza hadinoina ny manisy réactions sy mizara ny vaovao.