22/03/2022
Ny fitiavana hono...
Zavatra ilaina fa mampiferin'aina,
Mampikorotana be izato saina,
Tsy ahavitana izay tokony atao,
Fa mampitanondrika lava izao.
Ny fitiavana mantsy toa maha saro-piaro,
Mahatonga ny sasany malai-mifangaro,
Misento lava lavitra olo-tiana,
Manirery sy toa olo-mangina.
Fanampin'izany toa mankahia,
Fa olana lava misakana ny dia,
Tsy mahinan-kanina fa mitebiteby,
Manahy isanandro ndrao hisy hibedy.
Tena izany ve?
Amiko aloha dia tsy mba tahak'izany,
Fa ny fitiavana dia ilaina hatrany,
Satria ny fitiavana tsy zavatra kely,
Ka ho zary adino raha toa manirery.
Ilay fitia lehibe ao am-ponao ao,
No hany hampahery atao,
Manolotra hatrany ny tsara rehetra,
Manome am-pitiavana tsy misy fepetra.
Fa kosa tandremo...
Fa ny fitiavana anie tsy kilalao,
Sao entanim-po be atao,
Dia mihevi- tena fa hoe mahay mitia,
Avy eo mamoy fo fa hoe sampona ny dia.
Fitiavana tokana tsara hotarafinao,
Ilay Andriamanitra Ray tsy mba mandao,
Hangataho Izy hanoro sy hitantana ny dia,
Dia ho tafita sy ho lavorary ianareo mpifakatia.