24/03/2026
RAHA TIANAO HILAMINA NY FIARAHANAREO.
ATSAHARO NY FANANANA FIERTÉ BE NA NY AMBO-PO BE FANAONAO IO
👉Diso toerana mantsy izy raha anatiny fiainam-pitiavanao no hanehoanao azy.
👉Ary raha tianao aharitra ny fiarahanareo dia tsy misy toeran'ny fizahozahoana anatin'ny fiarahana.
👉Tsy misy izaho ambony
👉Tsy misy tsy maintsy ny ahy no arahana
👉Tsy misy satria izaho ny lehilahy na izaho no vehivavy
👉Tsy misy izaho no mibaiko
👉Tsy misy izaho indray aloha dia tsy azo atao an'izao
👉Tsy misy tompoko.
👉Tsy lafatra ny sipanao na ny vadinao. Ianao koa tsy lafatra rahateo.
👉Mahaiza mifandefitra rehefa mbola tsy mihoa-pefy ny ataony.
👉Mahaiza mamela
👉Mahaiza tena mi-comprendre ny olona miaraka aminao.
👉Na izany aza, hajao ny limite napetrakao foana mba tsy hisin'ny fanararaotana