16/02/2025
⚠️Ehh Tandremo ny fihinanana siramamy be loatra ! ⚠️
Hitantsika amin'ny karazana sakafo maro izy io : amin’ny boisson, sakafo industriel, sauce, snack… Kanefa, loza mitatao ho an’ny fahasalamana ny fihinanana siramamy be loatra.
🍭 Fa maninona no manimba ny siramamy ?
❌ Manamora ny fitomboan’ny tavy sy ny prise de poids
❌ Mampitombo ny risika ho tratran’ny ''diabète de type 2''
❌ Miteraka ''pics d’insuline'' izay manakivy ny vatana
❌ Mampirongatra ny ''inflammations sy manafaingana ny vieillissement''
❌ Manimba ny fo sy ny aty raha be loatra
Ny olana ? Mamorona ''dépendance'' ny siramamy, ka vao homana ianao vao maika mila misimisy kokoa ! 🍬
💡 Inona no tokony atao hamerana azy ?
✅ Mifidy sakafo naturel sy non transformé
✅ Manolo ny soda sy jus industriel amin’ny rano na infusion
✅ Mijery ny étiquette, satria miafina amin’ny anarana maro ny sucre (glucose, fructose, sirop de maïs…)
✅ Misafidy safidy sucre saine toy ny tantely na voankazo
Arovy ny vatanao ! 💪🏽 Ary ianao, efa niezaka nampihena ny fihinanana siramamy ve ?