21/08/2026
KIANJA DADAZILY ⚽🏟️
Eny tompoko, ALFA JUNIOR no vonona sy efa nanao ezaka tamin’ny famerenana sy fikarakarana ny Kianja DADAZILY, satria toerana tena ampiasainay sy iankinan’ny hetsika ara-panatanjahantena eto amin’ny kaominina izy io. 💪⚽
Tianay ny hanohy izany ezaka izany, saingy nametraka fepetra tsotra sy mazava izahay: tokony hisy taratasy sy fifanarahana mazava aloha, mba tsy ho very maina na ho very fotsiny ny ezaka sy ny vola ary ny asa hatao. 📄🤝
💰 Ohatra iray: raha misy vola miditra avy amin’ny fampiasana ny kianja, dia tsy tokony hiafara any am-paosin’ny mpitantana fotsiny izany. Tokony hisy ampahany ampiasaina amin’ny fikojakojana sy fanatsarana ny kianja, mba haharitra sy hivoatra hatrany ny fotodrafitrasa. 🏟️🔧
Nangataka COGESTION izahay mba hisian’ny fitantanana mazava sy mangarahara, saingy nolavina izany fangatahana izany satria ny Antony hoe manahirana hono Raha hangataka cogestion toy izao daholo ny club rehetra ETO Ambano. 😔
Miverimberina ihany koa ny filazana hoe “mpanao politika ianareo” ka manohitohina olona sasany. ❌
Fa tianay hazavaina tsara: ALFA JUNIOR dia association sportive, club mizaka tena, ary ny tanjonay dia ny hampandroso ny fanatanjahantena sy ny tanora . ⚽👦👧
Tsy afaka manao zavatra amin’ny fomba maharitra anefa izahay raha tsy mazava sy tsara tantana ny kianja. Mila fitsipi-dalao mazava, fitantanana mazava ary indrindra mangarahara amin’ny vola miditra sy mivoaka. 📊💰
👀 Izahay dia vonona ny hanara-maso sy hanohana ny mangarahara, satria mino izahay fa raha misy vola azo avy amin’ny kianja dia tokony hiverina amin’ny fampandrosoana ny kianja sy ny fanatanjahantena izany.
Mampalahelo anefa fa noho ny eritreritra diso sy ny hambom-po diso toerana, dia izao no hiafaran’ny kianja filalaovana iray izay tokony ho reharehan’ny tanàna. 😔
👉👉 Ny zavatra tsara hampandrosoana ny tanàna no tokony hifaninana, fa tsy ny tahotra hoe: “Sao dia maninana ny mpitondra ity projet ity?”
💚💛 ALFA JUNIOR — MIJORO HO REHAREHA.