ALFA Junior CLUB

ALFA Junior CLUB 🔵🔴 ALFA JUNIOR CLUB
Passion, discipline et développement du football à Ambano.
⚽ Club de football – Ambano
🔥 Unis pour vaincre
🏆 Force • Discipline • Victoire

🚨⚽ MATCHDAY IS COMING ⚽🚨📅 Prochain match : ⚽ ALFA JUNIOR 🆚⚽ FCV ESPOIRS 🔥 Mpilalao vonona. 🔥 Staff vonona. 🔥 Ianareo mpa...
25/05/2026

🚨⚽ MATCHDAY IS COMING ⚽🚨
📅 Prochain match : ⚽ ALFA JUNIOR 🆚⚽ FCV ESPOIRS
🔥 Mpilalao vonona. 🔥 Staff vonona. 🔥 Ianareo mpankafy sisa no andrasana.

📸⚽ Retour en images du match de défi.Une belle rencontre pleine d’intensité, de fair-play et de passion 🔥👏 Merci aux jou...
25/05/2026

📸⚽ Retour en images du match de défi.
Une belle rencontre pleine d’intensité, de fair-play et de passion 🔥
👏 Merci aux joueurs, staffs et supporters pour cette magnifique ambiance.
📷 Source des images : BIRA CultuSport
🛡️ ALFA JUNIOR 💪

⚽🔥 FANAZAVANA AVY AMIN’NY PRESIDENT ALFA JUNIORAmin’ny maha-président ny ALFA JUNIOR CLUB ahy dia tiako ny hanazava maza...
24/05/2026

⚽🔥 FANAZAVANA AVY AMIN’NY PRESIDENT ALFA JUNIOR
Amin’ny maha-président ny ALFA JUNIOR CLUB ahy dia tiako ny hanazava mazava tsara ny maha samihafa ny atao hoe CLUB sy ny atao hoe SÉLECTION COMMUNALE. 🧠📢
Ny ALFA JUNIOR CLUB ⚽ dia club izay natsangako niarahana t@ ny maro an isa mpikambana ato ary CLUB mizaka tena (autonome), midika izany fa manana ny fitantanana sy fanapahan-kevitra Ary loharanom_bola manokana (privée)👔📋. Manana rafitra sy sata mifehy azy manokana (statut et règlement intérieur) 📜, ary miasa amin’ny fomba voalamina amin’ny lafiny fitantanana, discipline, recrutement, ary organisation.
Ao anatin’izany rafitra izany dia manana ny fombany manokana (procédure interne) amin’ny recrutement ana mpilalao izy izay mifototra amin’ny performance sy n'y discipline. Tsy kisendrasendra ny fidirana ato fa voafantina araka ny fahaiza-manao sy fitondran-tena eny na dia misokatra aza izany.
Ny mpilalao ato dia iantohan n'y club fampitaovana samihafa, (maillot,baolina,sns),assurance ary omena licences avy ahafahana miatrika fifaninana ofisialy .
Ny tanjon’ny club dia maro sy mazava:
🚀 Mampandroso tanora amin’ny football
⚽ Manangana équipe matanjaka sy afaka mifaninana tsara
🧠 Mampiroborobo discipline sy esprit d’équipe
🏟️ Mampiditra mpilalao amin’ny compétition sy championnat
🌱 Hanangana sokajim_mpilalao:U15, U17,D2, D1.
📈 Manatsara ny niveau teknika sy taktika an’ny mpilalao

🏘️⚽ FANAZAVANA NY ATAO HOE SÉLECTION COMMUNALE
Ny sélection communale dia ekipa vonjimaika (temporaire) misolo tena ny commune iray amin’ny fifaninanana na tournoi. Tsy club izy io, fa fanangonana ireo mpilalao tsara indrindra avy amin’ny Fokontany maromaro mandrafitra ny kaominina izay tantana ny responsable commission sport eo anivon ny kaominina.
🎯 TANJON’NY SÉLECTION COMMUNALE
🏆 Misolo tena ny commune amin’ny compétition inter_communale.
🚀 Mampiseho ny niveau football an’ny commune.
🤝 Mampiray ny mpilalao avy amin n'y Fokontany samihafa.

💥 VICTOIRE 💥Nifarana tamin’ny fandresen’ny ALFA JUNIOR CLUB ny match de défi nifanaovana tamin’ny AS MAGMA ⚽🔥🏆 ALFA JUNI...
24/05/2026

💥 VICTOIRE 💥
Nifarana tamin’ny fandresen’ny ALFA JUNIOR CLUB ny match de défi nifanaovana tamin’ny AS MAGMA ⚽🔥
🏆 ALFA JUNIOR CLUB 3️⃣ — 2️⃣ AS MAGMA
Lalao tena niady sy nahitana kalitao avy amin’ny roa tonta 👏🤝
Mankasitraka ny AS MAGMA izahay tamin’ny fanekena ny fanasana sy ny esprit sportif naseho teny an-kianja 🙏⚡
Ho anay ALFA JUNIOR CLUB, mbola manohy ny asa sy ny ezaka hatrany satria mbola misy tanjona lehibe miandry 💪🔵
Misaotra ireo supporters rehetra nanohana sy niaraka taminay

Fisaorana lehibe sy fankasitrahana feno no atolotray ho an’i NJAKA, mpitsabo mpanohana anay ato amin’ny ALFA JUNIOR CLUB...
23/05/2026

Fisaorana lehibe sy fankasitrahana feno no atolotray ho an’i NJAKA, mpitsabo mpanohana anay ato amin’ny ALFA JUNIOR CLUB. 🙏⚽
Mankasitraka indrindra tamin’ny fampianarana sy fanofanana nomenao momba ny vonjy taitra sy ny fitsaboana fototra, ireo teknika fikarakarana ny vatana, ary ireo fomba hitazonana ny mpilalao ho salama sy ho matanjaka. 🩺💪
Noho ny torohevitrao dia nahafantatra bebe kokoa ny maha zava-dehibe ny discipline sportive, ny fahasalamana, ny fialan-tsasatra, ny régime alimentaire, ny sakafo mahasalama ary ny fitandremana ny vatana ny mpilalao. 🍎🥗🏃‍♂️Isaorana manokana ihany koa ianao tamin’ny fanomezana “kit médical” ho an’ny klioba, izay tena ilaina amin’ny fikarakarana sy fiarovana ny mpilalao mandritra ny fampiofanana sy ny lalao. 🎒⛑️
Tena manampy betsaka amin’ny fandrosoan’ny klioba sy ny fanabeazana ny mpilalao ny fanohananao sy ny traikefa zarainao aminay. 👏
Misaotra indrindra Infirmier NJAKA tamin’ny fahavononanao sy ny fitiavanao hanampy ny tanora ary hampandroso ny baolina kitra. ❤️💙

🙏⚽ REMERCIEMENTS ⚽🙏Ny CLUB ALFA JUNIOR dia maneho fisaorana feno ho an’ireo rehetra nandray anjara sy nanohana tamin’ny ...
22/05/2026

🙏⚽ REMERCIEMENTS ⚽🙏
Ny CLUB ALFA JUNIOR dia maneho fisaorana feno ho an’ireo rehetra nandray anjara sy nanohana tamin’ny fahazoana ireo baolina vaovao miisa 10 ho an’ny klioba. ❤️
Noho ny firaisankina sy ny fanohanana nataonareo dia afaka manao fanazaran-tena sy mifaninana amin’ny fomba tsara kokoa ny mpilalao. 💪🔥
Misaotra indrindra tamin’ny fiaraha-mientana sy ny fanohanana tsy tapaka. 🤝⚽
Andao hiara-hampandroso hatrany ny ALFA JUNIOR! 💙🙏

20/05/2026

Big shout out to my newest top fans! Jean Henri Razafisoloniaina, HN Prisca, Miangaly Sitrakiniaina Rafaliarimanana

19/05/2026
MatchDeDéfi
19/05/2026

MatchDeDéfi

📢⚽ Ho antsika izay nanontany hoe inona ny vision ny mpitantana ny ALFA JUNIOR CLUB:🎯 Tanjona lehibe ho anay : ✅ Hanabe s...
18/05/2026

📢⚽ Ho antsika izay nanontany hoe inona ny vision ny mpitantana ny ALFA JUNIOR CLUB:
🎯 Tanjona lehibe ho anay :
✅ Hanabe sy hanofana tanora mpilalao manana discipline sy toe-tsaina mendrika
✅ Hampiroborobo ny firaisankina 🤝, ny fanajana 🙏 ary ny fitiavana fanatanjahantena ⚽
✅ Hanome sehatra sy fahafahana ho an’ny tanora haneho ny talentany 🌱
✅ Handray anjara amin’ny fampandrosoana ny football eto Ambano sy ny manodidina 🏆
✅ Hanao ny ALFA JUNIOR ho klioba modely sy reharehan’ny tanàna 💙
📌 Tianay marihina manokana fa : ❌ Tsy manavakavaka izahay amin’ny fandraisana mpilalao.
✔️ Misokatra ho an’ny rehetra ny klioba, saingy ny zavatra takiana sy laharam-pahamehana ho anay dia ny : 👉 discipline
👉 fanajana
👉 fahavononana hivoatra sy hiasa mafy 💪
✨ Mino izahay fa amin’ny alalan’ny asa, ny discipline, ny firaisankina ary ny fifanajana dia afaka manangana hoavy mamiratra ho an’ny tanorantsika.
⚽🔥 ALFA JUNIOR
“Manangana ny hoavin’ny football eto Ambano.”

De la part du président ALFA JUNIOR.

Retour en image de notre dernier match.ALFA JUNIOR CLUB
18/05/2026

Retour en image de notre dernier match.
ALFA JUNIOR CLUB

Address

Terrain AGRI AMBANO
Ambano

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when ALFA Junior CLUB posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share